NY FITIAVANA

Nampidirin'i asnah | 12 Jan, 2007

Ny fitiavana dia tsy ny fijerin'ny andaniny ny ankilany fa ny fitiavana dia ny fiaraha mijery ny ho avy.


4 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "NY FITIAVANA"

  1. Dia mirary soa anao hahita izay olona afaka hijery ny any aloha miaraka aminao
    http://harilova.blaogy.com/category/182/282
    Raha manana olon-tiana ianao dia tsarovy fa tsy maintsy eo amin'ny masony no zary fitaratra hijerenao ny ho avy miaraka aminy : fifanatrehana manko no androatokon'ny fanombohana, ka raha tsy afaka mijery izay hitany ianao tsy ho afaka mitia.
    Tsy mora ny mitia, tsy sarotra, tsy misy fitsipika, tsy misy lojìka, tsy misy ohatra azo alain-tahaka,
    fa misy kosa tantaram-piainana ahafahana maka lesona sy manatsara ny fifankatiavana : io no antsoina hoe FAHAMATORANA
    Mahereza
    Harilova

    Nampidirin'i Namana 12 Jan 2007, 19:34
  2. Mirary soa ho anao.
    Amiko anefa dia mila mifankahita aloha ianareo roa, mifankafantatra, mifandefitra, mifankahazo izay vao miaramitodika miaraka amin'ny lalana izay hizorana. Raha tsy miatomboka amin'ireo voalohany ireo dia ho sasapoana ny ezaka rehatra.
    Asa anefa fa betsaka ny zavatra azo tsoahina amin'ny fiainana ahitana ny lakilen'ny atao hoe Fitiavana fa tsy tena misy formule azo arahina antsakany sy andavany. Mahereza hatrany. Soanja

    Nampidirin'i soanja 14 Jan 2007, 01:58
  3. Raha ny fijeriko ndray dia izao : isan-karazany ny fomba isehoan'ny fitiavana.
    - eo @ tanora sy "mpivady vao" dia miredareda ny fitiavana : io dia heveriko fa vokatry ny fifampijeren'ny mpifankatia. Noho ilay fahajambana ateraky ny fitiavana dia tsy mahajery ny manodidina azy ny mpifankatia eto, fa dia variana mifampijery foana
    - Rehefa tena tafaraka kosa ny mpivady dia voatery hiatrika ny tena fiainana : koa mba tsy haharava ilay fitiavana niredareda taloha dia tokony hitarika azy ireo hiray saina sy hiray tanjona ny fitiavana misy eo aminy.
    Koa raha ny fijeriko azy dia misy ifandraisana amin'ilay ohabolana fitenenana frantsay hoe io tenin'i asnah io : "on ne peut pas vivre d'amour et d'eau froide". ( sa tsy io moa le izy zareo ? ).
    izany hoe : azo iadin-kevitra io tenin'i asnah io. Sa aôna asnah ? :)

    Nampidirin'i Tokinao 15 Jan 2007, 00:08
  4. Ny tsirairay mitsara araka ny iainany ary mijery arakaraka ny namahany ny olana natrehany...
    tsy nanambady aho ka tsy fantatro ze ataon'ny mpivady na mifampijery na tsia...
    kanefa kosa ny azoko lazaina dia hoe : tsy vokatry ny fifankafantarana ny tena fitiavana fa vokatry ny fitiavana ny tena fifankafantarana... Ny fifampizahan-toetra nisy amin'ny kolontsainantsika, ataon'ny vazaha hoe fiançailles, dia tsy tena hifankalalana loatra fa hifankatiavana...
    tsy voatery hitovy manko ny fiandohan'ny fitiavana nefa ny maro indrindra dia ny tsela-baratra (coup de coeur)...
    resaka lava be raha hitarina satria miankina amin'ny fahamatoran'ny olona ny tena fahamatoram-pitiavana (dia inona ny hoe fitiavana -amour-agapè-eros-affection-passion.... adikantsika fitiavana avy...inona ny atao hoe matotra... azo faritana ve?)
    izay te hanao doctorat amin'io afaka tsara...efa vita ny drafitr'asa hi hi
    Veloma i ASNAH

    Nampidirin'i Mpandalo 17 Jan 2007, 15:42